11 avrily 2025 — Zoma, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)

• Tokony hofoanana ny didim-panjakana ahafahana mivarotra tany amin'ny vahiny, hoy ny RMDM. Miantso ireo Solombavam-bahoaka hanafoana izany eny amin'ny Antenimieram-pirenena izy ireo... • Naato vonjy maika ny fampiharana ilay haba 47 % amin'ireo entana ahodrantsinka any Etazonia. Mbola mitohy ny dinika arahan'ny fanjakana sy ireo mpandraharaha, hoy ny Tale Jeneralin'ny Varotra, androany... • Nanao fitokonana ireo mpitatitra amin'ny Bus mampitohy ny Renivohitra sy i Vontovorona androany maraina. Tsy faly amin'ny fandrarana hiasa mialoha ny amin'ny 5 ora maraina izy ireo...

♦ Nandroso ny vina fifanarahana miaraka amin'ny mpanakanto ho vahaolana amin'ny haban-tseranana ampiharin'i Etazonia amin'i Madagasikara ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Misy lesoka mila arenina ny fanatanterahana ny teti-bolam-panjakàna eto Madagasikara. Mbola sahirana amin'ny fijerena ny laharam-pahamehana noho ny tsy fahampian'ny vola miditra koa isika hoy ny MSIS TATAO... ♦ Miverina indray ny fahatapahan'ny famatsiana herinaratra mifandimby ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Ny fihenan'ny rotsak'orana tato ho ato no antony araka ny fanazavan'ny JIRAMA...

Ao natin'ny "TENY" dia misy hery miafina, koa tokony hitandrina isika amin'ny "teny" lazaina : mety ho tso-drano ary mety ho ozona. Ny teny dia endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona noho izany dia tokony ho "TENY" famporisihana mitondra soa ho an'ny hafa no hatao fa tsy fandatsana sy fandrabirabiana. Ady lehibe ny ady ara-toekarena koa samia miezaka sy manome lanja ny haren'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...