Ny "iray tampo" dia ireo iray kibo, na kitabo nifonosana ; ny iray tampo samy hafa ray izany no mitombina satria ny reny na ny vavy ihany no afaka mitondra am-bohoka. Ny zaza kambana dia mifanatrika ao an-kibon-dreniny ; araka ny finoana malagasy dia ireo kambana lahy sy vavy dia nosokajiana toy ny hoe mpivady, misy fomba hatao noho izany hanarenana ny vintan'izy ireo sy hanampahana iray fifandrohina. Rehefa teraka sy mbola minono ireo zaza dia avahana tsara ny nono ka ny Havia ho an'ny lahy ary ny Havanana dia ho an'ny vavy , rehefa tonga amin'ny maha sakan-jaza dia irosohana ny fanaovana fomba : "fanambadiana - fandravana fanambadiana"...

  • Feno herintaona omaly ny fe-potoam-pitondrana faharaon'ny Filoham-pirenena ankehitriny. Voafehin'ny fitondrana Rajoelina tanteraka ny lafiny pôlitika, hoy ny mpamakafaka Dany Rakotoson...
  • Hivoaka mialoha ny fetin'ny Noely ny vokatra vonjimaika tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina farany teo, hoy ny Filohan'ny CENI. Samy hanana ny fotoana hamoahany izany ny isam-paritany...
  • Hihena 20% ny rotsak'orana hatramin'ny taona 2050, ka misy fiantraikany amin'ny famatsiana rano sy herinaratra izany. Nasongadina izany tamin'ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo tany Andekaleka...

Ny mpampita fampianarana ao amin'ny Eglizy : ny Aban'ny Fiangonana atao hoe "Magistères" ; fa araka ny ampianaran'ny Papa François ao amin'ny katesiziny (laharana faha-29) manomana izao taon-jaobily lehibe izao, sady voalazan'ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika rahateo (KFK 2685-2690) dia manana adidy lehibe sady voalohany ny ray aman-dreny hampianatra mivavaka... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

17 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 1-17

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...