• Nanolo-kevitra ny CENI, hanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara, ny Komity mitandro ny fahitsiana na ny CSI. Tokony ampidirina amin'ny lalam-pifidianana ny ady amin'ny kolikoly... • Manaraka ny vidin'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ny vidin'ny solika eto amintsika. Ny vidin'ny solika tamin'ny volana jona lasa teo no mihatra eto Madagasikara amin'izao volana aogositra izao, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... • Nampahafantarina tety Ivato ny tranonkalam-pifandraisan'ny EITI Madagascar vaovao. Fotoana nanolorana ny dika amin'ny teny anglisy sy teny sinoa ny fehezan-dalana vaovao mifehy ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara tamin'ny taona 2023...
• Hivoaka ny fonja anio Rakotorova Rabetsara na Ralita, rehefa nofonjaina 15 volana. Amin'ny 12 aogositra kosa ny fitsarana an'i Elia Rabevahiny sy ireo namany miisa 5... • Nofaranana omaly teny Ankatso ny fandravonana ireo lohahevitra tsirairay noraisin'ireo Oniversite tsirairay tamin'ilay hetsika “Mois des Universités en Dialogue”. Tanjona tamin'izao hetsika izao ny fanavaozana nasionaly ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny rafi-pampianarana, manomboka amin'ny fototra ka hatramin'ny ambaratonga ambony... • Mbola tsy mety hiravona ny olan'ny Ligin'Analamanga eo amin'ny taranja Echecs sy ny Federasiona Malagasy eo amin'io taranja io...
• Tapitra androany ny fe-potoana nampiatoan'i Etazonia ny fampiakarana ho 47 % ny haban-tseranan'ireo vokatra miditra any aminy, ka anisan'ny mahakasika an'i Madagasikara. Andrasana na hihatra amintsika io fepetra io na tsia... • Tsy mitombina ny fanambaran'ny Praiministra fa tsy mahafantatra ny fanomezana laharam-pamantarana malagasy ireo fiaramanidina tafiditra any Iran izy sy ny Filoha, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Voaporofo fa nisy kolikoly sy fanaparam-pahefana ilay raharaha fitsaram-bahoaka tany Vohibato tamin'ny taona 2023. Natsikafon'ny mpanao gazety “Malina”, ny tao ambadik'iny raharaha iny, tamin'ny horonan-tsary fanadihadiana navoaka androany...
♦ Hiakatra Fitsaràna anio ao Toliara raha tsy misy fiovana ny mpitarika ny Antoko Otrikafo Elia Rabevahiny sy ireo olona 5 hafa niara-voasambotra taminy, efa naovotsotra ireo mpanao gazety roa taorian'ny fanadihadiana natao azy... ♦ Voasoroka avokoa ny olana nahina tamin'ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea teknika noho ny fiaraha-mientan'ny mpiasa rehetra hoy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak'asa... ♦ Ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo : Ôfisialy ny fidiran'i Madagasikara anatin'ilay vondrona misehatra amin'ny tontolon'ny angovo azo havaozina (SACREEE)...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco