♦ Tanterahina amin'ity herinandro ity ny fanadinam-panjakàna hahazoana ny "Certificat d'Aptitude Professionnelle", hitohy hatramin'ny alakamisy 16 jolay izao. Miisa 1.397 ireo mpiadina miatraka ny CAP amin'ity taona ity... ♦ Notoloran'i Etazonia fanampiana ara-pahasalamana mitentina 2,2 tapitrisa Dolara i Madagasikara. Isan'izany ny lay misy odimoka, fitaovana ara-pahasalamana sy labaoratoara ary fitaovana Starlink miisa 33... ♦ Namaly ireo nanangana "comité ad'hoc" izay nilaza ny hitantana sy hanala azy amin'ny andraikiny ny Federasiôna karate malagasy... ♦ 38.000 mahery ireo mpifindramonina nompodiana niala tao Afrika-Atsimo...
♦ Tsy tokony hamoaka izay vaovao rehetra miparitaka anaty tambazotra serasera ny mpanao gazety, raha tena matihanina, hoy ny talen'ny serasera eo anivon'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Mahazo vahana ny halatra tariby mitondra ny herinaratry ny JIRAMA any Antsirabe. Maherin'ny 7.000 metatra no nisy nangalatra tany an-toerana hatramin'ny volana janoary 2026 hatramin'izao.. ♦ Ny fametrahana rafitra matanjaka eny ifotony ihany no hampahomby ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana, izay nahazo vahana tato ho ato saika manerana ny nosy, indrindra ny hala-jaza sy vono olona hoy ny Fivato...
♦ Hiakatra fampanoavana anio alatsinainy 13 jolay 2026, ilay olona nisoloky ho mpanolontsaina ny Filohan'ny Fanavaozana, izay voasambotra ary nanaovana fanadihadiana teny amin'ny sampana fikarohana eloka be vava an'ny zandarimariam-pirenena Fiadanana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Ho vovaha tsy ho ela ny olana amin'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, izay simban'ny rivodoza Gezani dimy volana lasa izay. Fitaovana maromaro no efa tonga any an-toerana... ♦ Saika mitaky ny hisian'ny fifanarahana pôlitika hametrahana ny satan'ny tetezamita ny antoko pôlitika sy ny vovonana samihafa eto Madagasikara ankehitriny...
♦ Tsy tokony hisy Malagasy hiaina ao anatin'ny tahotra sy tebiteby tahaka izao hoy Rakoto Andriniriana Fetison... ♦ Manao antso avo amin'ny tokony hisamborana ireo milaza ho mpanolontsaina ara-teknika eo anivon'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika ka mikasa hanatanteraka "perquisitions" ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Randrianirina Michaël... ♦ Manomboka mivoaka ny valim-panadinana BEPC, 2 andro taorian'ny fahavitan'izany fanadinam-panjakàna izany... ♦ Raikitra ny fitokonana faobe mandritra ny 24 ora notarihan'ireo sendika any Sénégal...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco