♦ Mikasa hampiakatra ny vola miditra ao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna amin'ny taona 2023 ny ao amin'ny fadintseranana malagasy. Miroso hatrany ny fanavaozana hoy ny tale jeneraly... ♦ Mitombo ny isan'ny tranga mitondra ny "cornavirus" ao Mahajanga. Miantso ny mponina hanamafy ny fiarovana ara-pahasalamana tsy hampihanaka ny aretina ny tompon'andraikitra... ♦ Misy ary ampy ny rano ao amin'ny Faritra Androy, toa izan koa ho an'ny Faritra Atsimo-Andrefana sy Atsimo-Atsinanana araka ny fanadihadiana nataon'ny manam-pahaizana manokana momba ny rano Rakotondrainibe Herivelo...
♦Tsy handany volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2023 ny vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara. Ambaran'izy ireo ho tsy mitsinjo ny sôsialim-bahoaka ary tsy mijery ny laharam-pahamehana ho an'ny firenena izany volavolan-dalàna LFI-2023 izany... ♦ Mampiantrano fivoriambe iraisam-pirenena ho an'ny fandintseranana i Madagasikara. Firenena maherin'ny 20 isa aty Afrika no mandray anjara... ♦ Nisantarana ny fizaran'ny fitondram-panjakàna hanam-pamokarana ho an'ny tantsaha teto amin'ny Faritra Analamanga ny tato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo... ♦ Tsy latsaky ny 70 ny tifitra misila nataon'ny rosianina tany Ukraine omaly, lasibatra ny toerana famokarana angovo...
♦ Nampanantsoina teny amin'ny Pôlisy misahana ny raharaha ara-toekarena androany, ny Talen'ny Transparency International eto Madagasikara. Fampiantsoana namotoran'ny Pôlisy azy, tao aorian'ny fitoriana napetraky ny vondron'ireo mpandraharaha manondrana letsisia, na ny GEL... ♦ Nitsangana ny HIFFIM, Hetsika Iombonana ho an'ny Fanarenana sy Fanorenana Ifotony an'i Madagasikara. Miantso ny Malagasy hifanome tanana ao anatin'izao fahasahiranana izao, ireo mpikambana, androany...
♦Tsy tokony ahazo taratasy ara-dalàna ireo basy miditra antsokosoko eto Madagasikara, hoy ny sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimariam-pirenena. Tato anatin'ny enin-taona mantsy anarivony ny olona efa maty vokatr'izany... ♦ Mitaky ny hanakatonana vonjy maika ireo toeram-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany any amin'ny distrikan'Ankazobe, ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana, noho ny gaboraraka sy ny tsy fandriampahalemana aterak'izany... ♦ Sambo roa no mandray ny vokatra Letchis ho ahondrana any ivelany, ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Letchis hatrany amin'ny 15.000 taonina no ho entin'izy ireo any Europa. Nisokatra omaly ny taom-pihotazana sy fanondranana...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco