♦ Ho fanomanana ny fampirantiana iraisam-pirenena lehibe hatao any Arabie Saoudite amin'ny taona 2030, dia noraisin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana androany, ny delegasiona saodiana notarihan'Andriamatoa Ahmad Bin Abdul Aziz Kattan... ♦ Hotanterahana ny 16 sy 17 jona 2022, ny fikaonan-doha nasionaly ho fanatsarana ny fambolena sy ny famokarana eto Madagasikara, ka natao androany ny fihaonam-be tatitra, ho famolavolana sy fametrahana ny drafi-pampandrosoana izay seha-pamokarana izay...

♦ Paikady iray nampandroso an'i Japon ny fiaraha-mientan'ny rehetra, manaporofo izany fanomezan'ny mpitondra toerana ny mpanohitra, ao anatin'ny fitantanana... ♦ Nihatra nanomboka androany indray ny fanatsarana ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra, tao aorian'ny andrana izay natao omaly... ♦ Nosokafa amin'ny fomba ôfisialy teny Anosy, ny maraina teo, ny tetik'asa Mitsiry, entina hanohanana ny orinasa madinika sy ny salantsalany...

♦ Mbola mila hatrany amin'ny 70 taona mahery any vao hahatratra ny fandrosoana sy ny toerana misy an'i Rwanda ankehitriny i Madagasikara, hoy ny Banky Iraisam-pirenena. Nizarazara ny fanehoan-kevitra niainga amin'io fomba fijeriy io... ♦ 3 taona taorian'ny nampidirana am-ponja vonjy maika azy vao tontosa ny fitsarana an'ilay mpandraharaha akaiky ny fitondrana teo aloha, Rajaonah Mbola. Naharitra 20 ora ny fotoam-pitsarana ary voaheloka higadra an-tranomaizina 5 taona izy... ♦ Anio no hanainga ho an'i Ghana ny ampahany voalohany amin'ireo delegasiona malagasy hiatrika ny fifanintsanana amin'ny CAN 2023. Niantso mpilalao hafa indray i Nicolas Dupuis taorian'ny tsy fahafahan'ireo mpilalao nantsoiny teo aloha...

♦ Hiroso amin'ny fitokonana lavareny ny SECES Sampana Antananarivo. Niatrika fivoriambe teny Ankatso indray androany ireo mpampianatra mpikaroka, nampahatsiahy ireo fitakiany... ♦ Vao mainka hiakatra noho ny amin'izao ny vidim-piainana eto Madagasikara, ao aorian'ny fiakaran'ny vidin-tsolika, hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Hanomboka ny alatsinainy izao ka hatramin'ny tapaky ny volana jona ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea eto amin'ny faritanin'Antananarivo...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...