♦ Notanterahina ny omay, talata 24 mey teto Ivato ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny jobily faha-150 taona nanorenan'i Don Bosco sy Marie Dominique Mazzarello ny fikambanan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice... ♦ Niisa telo ireo fifanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny governemanta Malagasy sy ny BAD izay natao tany ACCRA renivohitr'i Ghana omaly... ♦ Ampy ny fitaovana enti-miasa amin'ny ady atao amin'ny valala ; velaran-tany 138.000Ha no efa voafendraka ranom-panafody...
♦ Tanterahaha any Akkra, renivohitr'i Ghana, ny fivoriam-be isan-taonan'ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana. Fifanaraham-piaraha-miasa telo no nosoniavina teo amin'ny Governemanta Malagasy sy ny BAD... ♦ Ampy ny fitaovana enti-miasa amin'ny ady atao amin'ny valala, eto Madagasikara. Miasa andro aman'alina ny teknisianina amin'ny famonoana ny valala... ♦ Hihemotra ho amin'ny 28 jona indray ny fotoam-pitsarana an-dRamatoa Raharinirina Clémence. Tsy mbola nahatonga solontena teny amin'ny Fitsarana indray androany, ny Fanjakana...
♦ Tena ilaina ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena, saingy tsy tokony ny resaka fifidianana ihany no hodinihina amin'izany, hoy ny antoko SFDM. Nambaran'ny filohany fa mety hiverina ny tantara tamin'ny andron'ny Hery-Velona, raha tsy handray anjara amin'izany ny fitondràna... ♦ Fandikan-dalàna ny fandoavan'ny fanjakàna vola 30.000Ariary amin'ilay fampiakarana ny karama farany ambany amin'ny sehatra tsy miankina, hoy ny Randrana Sendikaly, fanafangaroana ny volam-panjakàna io fanapahan-kevitra io hoy ity vondrona ity... ♦ Niravona ny disadisa tamin'ilay raharahan'ny orinasa QMM, ka nakàn'ireo mponina takalon'aina mpitandro filaminana tany Taolagnaro, efa niverina niodina ny orinasa, ka hanome fanonerana ireo mponina voakasika...
♦ Nasiam-panovana ny fahafahan'ny Malagasy miasa sy mifindra monina any ivelany. Namoaka filazana mirakitra izany ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, omaly... ♦ Tsy eken'ny fikambanan'ny mpivarotra ao Antananarivo Renivohitra ny hitsofohan'ny orinasa SMGD, amin'ny fitakiana haba eny anivon'ny tsena... ♦ Manome folo andro ny ftiondram-panjakana ireo mpandrahraha amin'ny harena ankibon'ny tany, mivondrona ao amin'ny Federasiona FOMM, hamahana ny olana mianjady amin'izy ireo...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco