♦ Hifarana anio ny "Aero India 2021". Manatrika izany any Inde ny avy amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, mijery ihany koa ny ahafahana manampy ara-pitaovana ny miaramila malagasy amin'ny fiarovana ny sisin-tany... ♦ Hanangana toeram-pitsaboana fototra na CSB miisa 119 ny fanjakana malagasy. Iray isaky ny distrika farafahakeliny. Efa nametrahana vatofototra ny 90 amin'ireo nanomboka tamin'ny volana ôktôbra...
Ho entitra ny fitandroana ny filaminana eto Antananarivo sy ny manodidina rahampitso, ka hampitomboina ireo mpitandro ny filaminana eny an-dalambe hisorohana izay mety ho endrika fanakorontanana na fanararaotana na fandikan-dalana, hoy ny OMC Analamanga...
♦ Nandiso ny vaovao nivoaka tamin'ny RFI ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola androany, momba ilay raharaha volamena 73,5kg. Tsy marina, hoy izy, ny fanakanako ny fitohizan'ny fanadihadiana... ♦ Hisitraka vola 50 tapitrisa dolara i Madagasikara, ao anatin'ny 5 taona, hivarotany "entona carbone", izay hotrohan'ny atiala atsinanana. Vita sonia androany ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany...
♦ Hisokatra amin'ny fiaraha-miasa amin'ny teknisianina sy tsy hijery loko pôlitika amin'ny iraka tanterahany ny Antanimierandoholona amin'izao fotoana izao, hoy ny Filoha lefitra avy any avaratra, Imbiky Herilaza... ♦ Na dia mamokatra 70%-n'ny ronono eto Madagasikara aza ny any Vakinankaratra, mbola tsy afa-po amin'ny habetsahan'ny ronono tsara kalitao vokarin'ny tantsaha, ireo mpandraharaha any amin'izany faritra izany...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco