Hofanomezana tosika ireo mpandraharaha noho ny fahavoazana nahazo azy ireo tamin'ireny krizy ara-pahasalamana ireny, sy ho fanarenana ny toe-karena amin'ny ankapobeny, dia nametraka ny "plateforme digitale" na ny tabazotran-tserasera ara-barotra ny FIVMPAMA, na ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy...
♦ Nitatitra ny asa vitany nandritra ny taona 2020 ny Ceni... ♦ Nanameloka ny zava-nitranga tao amin'ny kaominina Besakay, distrika Ambatondrazaka ny teknisian'ny rano sy ny ala... ♦ Toetry ny andro : misy fiforonana rivo-doza miha-manantona an'i Madagasikara arahi-maso indray ao amin'ny ilany atsinanan'ny fari-dranomasina misy antsika...
Maherin'ny sivy alina ireo "doublons", na anarana niverimberina tao anaty lisi-pifidianana nampiasaina tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena tamin'ny 2018, hoy ny tatitry ny CENI androany. Maherin'ny efatra alina kosa ireo laharan-kara-panondro mitovy, izay nanaovana fanitsiana...
♦ Niroso, nihatsara ny laharan'i Madagasikara amin'ny ady amin'ny kolikoly, raha tany amin'ny faha-158 no nisy antsika amin'ireo firenena 180 tamin'ny taona 2019, dia niroso ho laharana faha-149 tamin'ny taona 2020... ♦ Miroso tsikelikely ny fanarenan'ny BNGRC ny fahavoazana tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Eloïse, ny sekoly moa no tena isan'ny lasibatra tamin'izany...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco