♦ Manomboka miditra amin'ny andiany faharoa amin'ny valan'aretina Covid-19 ny eto Madagasikara. Efa ahitàna ilay coronavirus nivoatra variant "Sud-Africain" eto amintsika... ♦ Misy ny milaza fa hanongana ny fitondrana ny katôlika, taorian'ny fanambarana nataon'ny K3F tany Fianarantsoa. Namaly izany ny Eveka Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Andro iraisam-pirenena ho an'ny Francophonie ny tamin'ny Sabotsy 20 marsa teo ary faha-51 taonan'ny OIF...
♦ Miherina ny taona nidiran'ny Coronavirus teto Madagasikara, mifanome fotoana amin'ny vahoaka malagasy anio alina ny filoha Andry Rajoelina... ♦ Miangavy ny Filohan'ny Repoblika hanaja ny zon'ny tsirairay amin'ny fanefitra heveriny fa mifanentana ho amin'ny fitsaboana ny valan'aretina Coronavirus ny akademia malagasy... ♦ Amin'ny Alarobia ho avy izao ny fifidianana ireo ho solontenan'ny antenimiera roa tonta ho eo anivon'ny HCC...
♦ Tsy resy lahatra amin'ny fiverenana amin'ny fihobohana indray ny ankamaroan'ireo olon-tsotra nanaovana fanadihadiana... ♦ Efa misy ireo sekoly mamita haingana ny fandaharam-pianarana ka nanafoana ny fialantsasatra amin'ny fetin'ny Paka noho ny fanahiana amin'ny fampiatoana ny fianarana vokatry ny firongatry ny Covid-19... ♦ Nahemotra amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra indray ny hetsika saika entina hankalazana ny faha-45 taona ny Antoko AREMA...
♦ Nanetriketrika androany ny fankalazan'ny Arsidiôsezin'Antananarivo ny fetin'i Masindahy Josefa, mpiaro ny Fiangonana maneran-tany. Nifanindran-dalana tamin'izany ny fanamasinana ho diakra sy nanavaozan'ny pretra ny tokim-panompoany... ♦ Olona roa indray no namoy ny ainy, vokatry ny Covid-19, araka ny antotan'isa nivoaka androany. Vaky vava ireo olon-tsotra eny an-dalambe fa efa miparitaka ity aretina ity matoa mirotsaka an-tsehatra amin'ny fanentanana ny Polism-pirenena...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco