Naneho hevitra omaly ny mpanohitra, mivondrona ao amin'ny RMDM, fa mampanahy azy ireo ny hiverenan'ny jadona eto amin'ny firenena manoloana ny fihetsiky ny mpitondra amin'ny hetsika hataon'ny mpanohitra amin'ny sabotsy ho avy izao...
Manahy ny hiverenan'ny jadona eto amin'ny firenena ny RMDM, araka ny nambarany tamin'ny mpanao gazety androany, manoloana ny ambarany fa fisian'ny sakatsakana amin'ny hetsika kasainan'ny miara-manonja hatao amin'ny sabotsy ho avy izao...
Manaiky ny fisian'ny Filoha lefitra fahatelo eo anivon'ny Antenimierandoholona avy amin'ny mpanohitra, ny Filoha lefitra misahana ny faritra avaratra. Tsy miankina amin'ny loholona anefa, hoy izy, ny fanendrena izay olona hisahana izany fa anjaran'ny HCC sy ny Ministeran'ny Atitany...
Mpifindra monina roa arivo isan'andro no mirohotra mihazo ny Faritra Anosy, mitsaoka ny kere any Androy sy Atsimo Andrefana. Ny tobin-dry Masera, "Sahan'i Maria" ao Tolagnaro no tena mandray azy ireo. Mnagataka tantsoroka amin'ny malala-tanana àry ry Masera ankehitriny satria efa iray volana sia ny tahirin-tsakafo omena ireo mpifindra monina...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco