• Resabe ilay sarivongana vaovaon'ny Filoha Philibert Tsiranana ao Antsohihy, nandritra ny hets-pankalazana ny datin'ny 14 ôktôbra omaly. Nosoloina ny teo aloha izany sarivongana izany androany... • Nampanantena ny tsy hisian'ny delestazy intsony ny Profesora Solofo Jonnis, raha hotrandrahantsika ny menaka mavesatra any Tsimiroro. Sonian'ny Filohan'ny Fanavaozana sisa andrasana... • Lasa misy tsy fahatomombanana ny “Airbag” amin'ny fiara marika Toyota sy Mitsubishi sasantsasany miasa eto Madagasikara. Hisy ny fepetra horaisin'ny Foibe Fitsarana fiarakodia...
• Feno herintaona no nitantanan'ny fitondrana Fanavaozana an'i Madagasikara. Mbola mitoetra eto amin'ny firenena ny fomba fanaon'ny mpanao politika tamin'ny fitondrana teo aloha, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine... • 15 ôktôbra, Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy Tantsaha. Eny Mahamasina no atao ny lanonana ofisialy androany. Mandray anjara amin'izany ny fikambanana FARM... • Hamelona ny fankafizan'ny mpamaky ny tantara an-tsary malagasy ny mpisehatra tamin'izany nandritra ny taona 80 sy 90. Hamoaka tahirim-boky, mahatratra 7.000 isa, izy ireo...
♦ Namory vahoaka teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina ny fikambanana Ambalambahoaka nanamarihana ny datin'ny 14 oktobra. Nanambara ny mpitarika fa natao tohatra fiakarana izy ireo teo aloha ka tokony hohenoin'ny fitondrana amin'izay ny feony... ♦ Mitaky ny hananganana ny rafitra Fokonolona ny vovonana ho an'ny femerenan-kasina ny Fokonolona (VFKF) sy ny Hetsika Kristianina ho an'ny Fampiraisana ny Firenena (HFKF)... ♦ Mitaky ny hamerenana ny tany 665 Ha amin'izy ireo ny Fikamban'ny Tantsaha Faharetana (FITAFA) ao Morarano Arivonimamo. Nihaona tamin'ny Ben'ny Tanàna izy ireo nitaky ny zony...
• Hoentina amintsika ny akon'ireo hetsika samihafa nentina nanamarika ny datin'ny 14 ôktôbra, nijoroan'ny Repoblika Malagasy... • Nanatanteraka hetsika manoloana ny olana ara-tany ny Fikambanan'ny Tantsaha Faharetana, na FITAFA, ao Morarano Arivonimamo... • Manana fahaiza-manao tsy azo tsinontsinoavina amin'ny fikarohana ataony ny tantsaha mpamokatra, rehefa omena azy ny fahafaha-manao momba izany. Nivoitra izany nandritra ny dingana famaranana tamin'ny fifaninanana TSINJORANO, natao teny amin'ny CFAMMA Nanisana...
• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco