♦ Tanora 4 eo anivon'ny Gen Z, anisan'ireo nanao fihetsiketsehana ny herinandro teo no nisy nisambotra. Tazomina eny amin'ny sampana heloka bevavan'ny Polisim-pirenena Anosy ny sasany amin'izy ireo, nanomboka omaly... ♦ Tsy mankasitraka ny fandravàna ny andrim-panjakàna ny Antenimieram-pirenena tamin'ny lahateny teny Tsimbazaza omaly. Ara-dalàna ny fitondram-panjakàna ankehitriny hoy Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Tsy misy atahorana ny famatsiana solika eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Angovo ary ny Akoran'afo, omaly. Efa tonga ny sambo mpitondra solika ho an'i Madagasikara...

• Tsy mankasitraka ny fandravana ny andrim-panjakana misy eto amin'ny firenena ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, raha nandaha-teny tamin'ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana androany teny Tsimbazaza... • Tsy niandry ela, fa taorian'ny fanokafana fivoriana androany, dia nampahafantatra ny fandaharan'asa ankapoben'ny fanjakana, na ny PGE, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana androany tolakandro, teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza... • Ampy ary tsy misy atahorana ny famatsiana solika eto Madagasikara, efa nigadona tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina androany ny sambo mpitondra solika, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo...

♦ Namaly ireo tanora Gen Z sy ireo mpanao pôlitika mitaky ny fandravana ny rafi-panjakàna sy andrim-panjakàna misy ankehitriny, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena androany, tamin'ny lahateny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana eny Tsimbazaza... ♦ Misy ny fanehoan-kevitra samihafa momba ny fanendrena Sefo Fokontany... ♦ Nitrangàna hay trano tany amin'ny kaominina Tsaravinany Mahanoro omaly. Miisa 87 tafo ireo trano may tamin'izany... ♦ Nifampiampanga tamin'ny fandikàna ny fampitsaharana ny ady noho ny fankalazana ny Paka Ortodoksa i Ukraine sy i Rosia...

♦ Hanomboka anio eny Tsimbazaza ny fivoriana tsy ara-potoana ho an'ny parlemanta... ♦ Afaka nody rehefa nohadihadiana nandritry ny adim-pamantaranandro iray, teny amin'ny pôlisy misahana misahana ny heloka bevava teny Anosy, tamin'ny sabotsy teo, ny Jeneraly Ramakavelo Désiré... ♦ Naharitra roa taona be izao ny fisandohan'ny vehivavy iray ho pôlisy ka nahafahany nanondrana an-tsokosoko sokatra... ♦ Tsy nisy ny marimaritra iraisana nandritra ny dinika teo amin'ny delegasiôna iraniana sy amerikana, izay natao tany Islamabad ny faran'ny herinandro teo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...