31 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

Ankehitriny ny fahotana dia mifototra amin'ireo tsy mihaino ny tenin'Andriamanitra. Maro ny olona no tsy miraharaha ny fisian'Andriamanitra mihitsy. Vahaolana ny Zokiolona : ampitaina ny trai-kefa hahafahana mamakafaka. Misy anjara toerana manokan'ny zokiolona amin'ny fifandraisana amin'ny taranany , izay tsy miainga amin'ny zavatra teo aloha dia hirona amin'ny fahaverezana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

30 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

Miha simba ny fifandraisana ankehitriny, lasa tsy mifankahazo noho ny fironana ara-pôlitika, lasa mitady finoana hafa noho ny faharesen-dahatra manokana. Boky mivelatra ny zokiolona : manana tantara lava kokoa,  marina kokoa, fampitana trai-kefa-piainana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...