Manan-danja ny fahasalaman'ny reny mitondra vohoka, filaminan-tsaina satria izany no antoka lehibe amin'ny fahavelomana sy fitombon'ny zaza araka ny tokony ho izy ao ankibo. Voaantso manokana hiandraikitra ny fitohizan'ny aina ny Reny rehetra, adidiny noho izany ny mikajy sy mikolokolo ny aina entina eo am-bohoka, izy ireo dia mpiara-miasa amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

13 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 17-30)

Ny fitsaihana no fotoana manan-danja indrindra eo amin'ny fiainan'ny olombelona satria amin'io fotoana io no manomboka ny fiainan'ny olona iray. Voafaritra amin'io fotoana io ilay zaza miforona miaraka amin'ireo toetra rehetra maha olombelona, ny maha izy azy feno : saina, fo, fanahy... Mitoe-jaza ny vehivavy iray raha toa ka tsy miverina ny fadim-bolana, miakatra tsy toy ny mahazatra ny hafanana. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

12 marsa 2024 — Talata, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 1-3a. 5-16)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...