22 desambra 2023 — Zoma, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 46-56)
Ny mpiasa tany amin'ny angadin'omby dia hireharehany ny asany ary ny resaka ataony dia tsy misy afa-tsy mahakasika ny asany. Ny mpandrafitra sy ny mpanorina trano dia tsy mikely soroka amin'ny asany, ny mpanao sary sokitra dia mitady fomba hahatsara ary manovaova ny sary asehony. Ny mpanefy dia miaritra ny hafanana sy ny enton'afo ary ny kotaba amin'ny fivelesana ny vy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
21 desambra 2023 — Alakamisy, herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)
Tsy maintsy miasa ny olona satria asesiky ny filàna ho an'ny tenany sy ny fitsinjovany ny ankohonany satria izay mazoto dia hanana izay ilainy. Ilaina ny miangaly ny asa atao. Tsy misy ny asa ratsy raha tena atao tsara. Ny isan-tsokajin'asa dia aseho sy hiainana tsara ny fanomanana azy sy ny fiangaliana azy satria entina hanehoana fa tia ny asany ny tsirairay. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco