Mila antsika taranaka mifandimby ireo zokiolona. Lesona ho an'ny taranaka ny fitondran-tena sy ny fihetsika ataon'ny zokiolona. Manome fahamatorana ny taranaka dieny mbola tanora ihany koa ny zokiolona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

13 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 13-17)

Tsy misy fanantenana ny fiainantsika rehefa tsy misy zokiolona. Ny vehivavy dia mahari-pery, mahavita manohana ny vadiny mandrankariva. Vitsy ny lehilahy manana herim-pom-bahivavy, môdely kokoa amin'ny faharetana ny zokiolona vehivavy. Afa-mifanohana ny zokiolona rehefa misy iray mijoro. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

12 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 1-12)

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...