28 ôktôbra 2023 — Masindahy Simôna sy Joda, Apôstôly — Fankalazana — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-16)
Lasa toe-tsaina raikitra ao amin'ny olombelona ny kolontsaina finaritra mampiavosa fako. Miantraika amin'ireo olona voailika ho eny anjorombala na amin'ny zava-boahary izany, hoy ny Papa ary ireo indray aza no zary fakofako. Sarotra amintsika ny miaiky hoy ny Papa fa tsara alain-tahaka ny firindran'ny tontolo voajanahary iray rafitra (ecosystème): fisian'ny tsingerina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
27 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)
Zary lasa mivadika ho toby be fanariam-pako hatrany hatrany ilay tanintsika, tranobe iombonana, hoy ny Papa. An-jatony tapitrisa taonina ny fako ariana isan-taona, ny ankamaroan'izy ireny anefa tsy mety levona : fako avy amin'ny isan-tokantrano, avy amin'ny asam-barotra, avy amin'ny fandravana trano, avy amin'ny hopitaly, fako elektronika, fako avy amin'ny indostria, fako misy poizina mahery vaika... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco