Anisan'ny Olomasina tena mahaliana an'i Papa François tokoa raha i Md François de Sales, Mpampianatry ny Eglizy. Nanoratany taratasy apôstôlika mihitsy aza moa ny fahatsiarovana ny faha-400 taona nahafatesan'io Olomasina iray io nomeny ny lohateny hoe "Totum amoris est". I Md François de la Sales no nosafidian'ny Eglizy ho mpiaro ny mpanao gazety katôlika. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

10 jona 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)

Indraindray ny lahateny mamy dia mandrehitra indray ny afo mitsilopy ao am-pon'ireo izay tena mafy fo. Tena ilaina amin'ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisn'ny mpiara-belona ny "miteny amin'ny fo" sy amim-pahalemam-panahy. Ezaka ny hanampiana ny olona hahay handinika tsara anatin'ny fitoniana sy hahay hamakafaka ny zava-misy. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

9 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 35-37)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...