Mahay manaja ny tenany sy hajain'ny hafa ny vehivavy rehefa hita sy tsapan'ny olona eny aminy ny maha-olom-banona nandray fanabeazana azy. Mila tena mianatra ny vehivavy mba tsy ho lasa fitaovam-pahafinaretana sy fitaovam-piterahana fotsiny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Zoma 23 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 18-22

22 septambra — Miaramila avy any Thèbes i Masindahy Maurice, ary maty martiry niaraka tamin’ireo miaramila kristianina namany noho ny fiarovana ny finoana. Tamin’ny taonjato fahatelo no voalaza fa vanim-potoana niainan’izy ireo araka ny fitantaran’i Masindahy Eucher.

Mifanampy ny ray sy ny reny, fa tsy ankinina fotsiny amin'ny reny io karazam-panabeazana saropady io. Ny fiovan'ny toe-batany sy ny baraingo mipetraka aminy momba izany fiovana izany, ny tsy hitovizany amin'ny anadahiny ao an-trano na ny zazalahy hitany eny ivelany dia mila valiny marina sahaza ny taonany. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...