14 septambra — Tsaroatsika tsara fa tamin’ny 18 aogositra i Masimbavy Hélène, ilay renin’ny amperora Constantin no nahita ny hazo nifantsiahan’i Jesoa. Tamin’ny taona 335 dia nasain’i amperora Constantin ireo pretra nivory tao Tyr tamin’ny fitokanana ny bazilika roa tao Jerosalema ny 13 septambra, ho fankalazana ny faha-30 toana ny nahatongavany.
Tia mandinika sy miady hevitra ny lehilahy , na mbola kely na efa vory saina dia efa hita fa miaraka amin'ny vondron-jazalahy mitovitovy taona aminy, miara-milalao baolina, na miady hevitra rehefa milalao. Matetika ao anatin'izany no samy te hametraka ny heviny ho marina sy tsy tokony ho lavina avokoa. Manaiky koa anefa izy fa ao anatin'izany vondrona misy azy izany no hametrahany izay lehiben'izy ireo. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alarobia 14 septambra 2022 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana Masina — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nsoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17
13 septambra — Teraka tao Antioche i Jean Chrysotome, Jean moa no fiantsoana azy. Mpianatr’i Mélèce tao Antioche izy ary io no nanao batemy azy teo amin’ny faha-24 taonany araka ny fomba tamin’izany fotoana izany. Avy eo izy nobezazin’ni Diodore tao Tarse, mpanorina sekoly tao Antioche io Diodore io. Io ihany koa no nanome azy ny fitiavana ny fikarohana ny tantara eo amin’ny fandalinana ny Soratra Masina.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco