Alatsinainy 25 jolay 2022 — Masindahy Jakôba, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo tao amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 20-28
24 jolay — I Masindahy Charbel na Youssef Antun Makhlouf dia teraka ny tamin’ny 08 mey 1828 tao Bekaa Kafra tao Liban avaratra. Mpitoka-monina maronite izy io, libanais izany. Nobeazina tao amin’ny fitiava-bavaka, ary izay no nahatonga azy hirona amin’ny fiainam-bavaka ihany koa.
Raha manao asa na maka fanapahan-kevitra mifanohitra amin'ny toe-tsaina kristiana ireo mpitondra firenena isan-tsokajiny dia voadidin'ny feon'ny fiheritreretana handà sy hanohitra izany isika ka maneho hevitra amim-pamendrehana. Manana andraikitra mitondra fomba fijery sy fisainana mifototra amin'ny fiainan'ny kristiana ny rehetra, fiaraha-miasa amin'ny mpitondra fanjakàna. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 24 jolay 2022 — Alahady fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-13
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco