18 aogositra — Tokony ho tamin’ny taona 255 i Hélène no teraka tany amin’ny faritan’i Bithynie. Constance Chlore no vadiny, jeneraly romanina izy io izay nampakatra azy ho vadiny ny taona 272, ary tamin’ny taona 275 no nanan’izy ireo an’i Constantin zanany lahy.
Ny antso izay voaresaka ao amin'ny Levitika ihany no averin'i Jesoa amintsika, saingy ovainy fomba filaza fotsiny ao amin'ny Matio 5,48: "aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. Noho izany dia antso mitovy ihany no hiantsoana antsika dia ny ho masina sy ho lavorary. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alakamisy 18 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14
17 aogositra — Teraka tao Silésie ny taona 1200 i Masindahy Hyacinthe ary nodimandry tao Cracovie ny 15 aogositra 1257. Nihaona tamin’i Masindahy Dominique tao Roma izy ary tonga mpianany tao amin’ny fikambanana Frères precheurs.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco