Alahady 7 aogositra 2022 — Alahady fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 32-48

06 aogositra — Ankalazaina amin’izao ny fiovan’ny Tompo tarehy tao an-tendrombohitra. Ity fiovan’ny Tompo tarehy ity moa izany dia fiovana hita maso amin’ny vatan’i Jesoa nandritra ny fiainany teto an-tany.

Tsy azo tsapain-tanana, ary tsy ren’ny fandrenesana ny finoana. Resaka ara-panahy ny finoana ka mila aseho amin’ny fiainana sy asa eto ivelany, araka ny voalazan’i Md Jakoba, mba hijoroana ho vavolombelona fa kristianina marina sy mahitsy ny olona iray. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria

Sabotsy 6 aogositra 2022 — Fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 28b-36

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...