Tsy mahazo mihevitra na oviana na oviana an'izany harena izany ho toy ny an'ny tenany irery ihany ny olombelona. Ny fananan-tsamirery dia miainga amin'ny zo hananana fananana manokana, fa kosa azo hanasoavana ny hafa. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 4 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay —Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26

03 jolay — I Thomas ilay resahana eto dia ilay apôstôly tsy teo tamin’ny fisehoan’i Jesoa voalohany tamin’ny mpianany tao aorian’ny nitsanganany ho velona. Izy ilay nilaza fa tsy mino ny fitsanganan’ny Tompo raha tsy mametraka ny tanany amin’ireo loaky ny fantsika eo amin’i Jesoa.

Ny zo hanampanana manokana tsy manafoana ny fanomezana hatrany ampiandohan'ny tany ho an'ny fitambaramben'ny olombelona. Ny anjara voatokana ho an'ny daholobe momba ny fananana dia mijanona ho fototra na dia takian'ny fampandrosoana ny "soa iombonana" aza ny fanajana  manokana sy ny ny zony ary ny fampiasana azy. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...