Alahady 19 jona 2022 — Ny Vatana aman-dRa Masin'i Kristy — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 11b-17
Miteraka olana goavana ary tsy misy soso-kevitra raikitra azo atolotra hamahana azy ny fifindra-monina an-tery. Averiko ihany fa tsy maintsy miezaka mihaino ny tantaran'ireo mpifindra-monina, mba hialana amin'ny fitsarana an-tendrony sy hamahana ny hamafisan'ny fontsika ; Manome anarana sy tantara ny tsirairay. Misy mpanao gazety mahay maro efa manao an'izany. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Sabotsy 18 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34
Amin'izao vanim-potoana manahirana misy valan'aretina lava izao dia sarobidy kokoa noho ny hatramin'izay ny fahaizana mihaino ny fiaraha-monina. Lasa nitarika "areti-mandozan'ny fampahalalam-baovao" ireo tsy fahatokisana niangona teo aloha mikasika ny "fampahalalam-baovao ôfisialy", ka lasa sarotra ho an'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ny ho azo itokisana sy hangarahara kokoa. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco