Alakamisy 10 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 24-30
Antsoin'Andriamanitra avokoa isika olombelona rehetra. Antsoiny hiaina araka ny fandaharany isika, antsoiny hiaina araka ny sitrapony. Antsoiny hitovy amin'i Jesoa Kristy isika, izy no modelin'olombelona araka ny sitrapon'Andriamanitra Ray, ka antsoina isika hiombon'aina aminy. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Alarobia 9 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 14-23
Tsara homarihina fa mifono fanasana ny "fiantsoan'Andriamanitra". Amin'ny maha "fiantsoana" azy dia tsy nisy nisafidy akory fa valin-teny no andrasana amin'izay voaantso. Tsy misy fanerena ihany koa fa fanasana, fiangaviana, tolo-kevitra. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco