Alarobia 12 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39
Eo ampanaovana adidy dia tsy ilaozan'ny maha-izy azy ny lehibem-pikambanana ; entiny manatanteraka ny andraikiny ny fanomezam-pahasoavana sy ny kilemany, ny herim-panahiny sy ny halemeny, ny haren-tsainy sy ny fetram-pahalalany. Na ny Lehibe na ny mpikambana dia samy olombelona, manana fetrany, ka mety hampangirifiry sy hampijaly ny fanekena. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Talata 11 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 21-28
Solon-tenan'Andriamanitra sady solon-tenan'ny fikambanana ary solon-tenan'ny Eglizy ny lehibem-pikambanana hekena. Satria mety ho diso ihany ny lehibe eo amin'ny baiko omeny fa tsy ho diso kosa ny mpikambana manaiky ny baiko, raha atao araka ny lalàm-panorenana izany rehetra izany. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco