Andriamanitra miantso ny rehetra ho amin'ny fahamasinana. Ny olomasina ihany no afaka mihaona amin'Andriamanitra. Ny teny hoe "antso" dia midika hoe "vocation" nakoa hoe "appel" izay avy amin'ny teny grika hoe "Klesis". Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alarobia 19 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6

Ny fanekena ataon'ny relijiozy dia fitadiavana sy fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra. Ny voady izay hery manampy ny relijiozy tsy ho voafatotry ny fitiavana sy ny fiahian'izao tontolo izao dia hery lehibe hahafahany manao tsara ny iraka. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Talata 18 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...