Talata 18 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28
Ambaran'ny Konsily Vatikana faha-II fa "manambara mialoha ny fitsanganan-ko velona rahatrizay sy ny voninahitry ny fanjakàn'ny lanitra ny fiainan-drelijiozy (LG42). Santatr'izany sahady ny fiainana ny fahavirijiniana mialoha ny fiainana rahatrizay. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Alatsinainy 17 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 18-22
Isika tokoa dia tsy manana tanàna maharitra eto an-tany (He 13,14), fa "mizaka ny zo maha mponin'ny lanitra" (Fil 3,20), "izay misy ny harenao no hisy ny fonao" (Mt 6,21). Tokam-po hitia an'Andriamanitra izy ireo ka sahy mijoro ho vavolombelon'ny Fanjakany izay hany harena tena marina. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco