"Ianareo no mpanorina ny ho avinareo ao anaty fahasahiana" hoy ny Papa tamin'ny tanora. Ny tanora sahy dia afaka manilika ny fisalasalàna, ny ahiahy, sy ny tahotra, ary miara-miasa amin'ny mpanabe sy ny tanora namany. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Zoma 5 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-8
Ankehitriny, tonga ny fotoana hanaovan'ny tanora ny "eniny" amin'ny fanorenany ny ho aviny, hoy ny Papa : "tanora toa anareo i Masina Maria tamin'izy nanao "eny" ny amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Midika fandraisana andraikitra izany, midika fahavononana hisedra zava-tsarotra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Alakamisy 4 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco