Misy fotoana, manana fahavononana ihany isika anefa tsy ampy risi-po, misalasala sady matahotra. Mazava ny tenin'i Jesoa : " rehefa mety ho mpitana angadin'omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Sabotsy 27 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 34-36
Vavaka sy fomba entin'ny kristianina miara-mankalaza an'Andriamanitra ny litorjia. Mba hampirindra ny fankalazana litorjika, dia naorin'ny Eglizy ny vaomiera litorjika ahitana ireo solo-tena avy amin'ny hery velona misy eo amin'ny paroasy.
Misy fotoana i Jesoa mihitsy no miantso ka milaza amintsika hoe "manaraha ahy", saingy isika indray no be fialan-tsiny ka mametraka elanelana amin'ny endri-javatra maro. Soa fa mbola eo hatrany Jesoa manitsy dia antsika. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco