Zoma 26 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33

Mety miovaova ihany koa ny famaliantsika ny antso rehefa tsy haintsika ny mandanjalanja azy ka mety hanahaka izay voalazan'ny Evanjely ao amin'ny Lk 9, 57-62. Rehefa entanim-po fotsiny isika dia sahy milaza hoe " hanaraka anao aho, na aiza na aiza halehanao " tsy mamantatra izay mety hitranga akory. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Alakamisy 25 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 20-28

Tsy mora ny mamantatra ny antso ka mila ny hafa mandrakariva hampahafantatra azy tsaratsara kokoa. Indraindray isika miantsampy amin'ny hazo tsy fantatra, mitompo teny fantatra fa nantsoin'Andriamanitra ho amin'izatsy na izaroa. Soa fa teo ny hafa afaka manampy antsika hamantatra marina izany. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...