Alakamisy 16 septambra 2021 — Herinandro fahefatra amby roapolo mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 36-50

Masina Maria dia tovovavy kely ary virijiny, talohan'ny fanambadiana. Araka ny fomba dia misy dingana telo ny fanambadiana : fisehoana, vodiondry, fakana ilay vehivavy. I Maria dia efa tonga teo amin'ny dingana faharoa no tonga ny antson'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alarobia 15 septambra 2021 — Masina Maria Virjiny, nijaly sy vonton'alahelo — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny, ilay nandray ny fandresen'ny Martiry teo ambany Hazofijalian'ny Tompo tsy nisy fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 19, 25-27

Tsy resaka mivantana no nandraisan'i Masina Maria ny antson'Andriamanitra fa tamin'ny alalan'ny anjely, araka ny Lk 1, 26-38. Ny anjely dia tahaka ny vavan'Andriamanitra miresaka amin'i Masina Maria. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...