Alarobia 27 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30
Miseho amin'ny endrika samihafa ny tahotra ao amin'ny tanora : tahotry ny tsy misy mihaino, tahotry ny tsy ho tiana, tahotra tsy ahomby, tahotra ny tsy ho fantatra. Mankahery ny tanora i Papa François fa mamela antsika hanana fo sy saina hikaroka mandrakariva i Jesoa, saina afaka mandalina sy fo hahay hifampitsinjo. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Talata 26 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 18-21
Tsapa ankehitriny fa miroaroa saina sy mitebiteby ary tsy mahatoky tena ny tanora noho ny tahotra mameno ny fony manoloana ny ho aviny. Hany ka tsy mari-toerana ny fiainany ary maro no tsy mijoro amin'ny heviny sy tsy mitàna ny teny nomeny. Jesoa anefa manome toky fa eo mandrakariva hitari-dalana azy ireo. Katesizy momba ny fananana hazo-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco