Ilàna fandinihina tsara ny mety ho hevitry ny antso ho an'ny olona iray. Maka bahana ara-potoana tsara ary atao feno ny fiomanana. Katesizy momba ny Fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Fanomanana an'i Maria virijiny ny votoatiny hafatra noentin'ny anjely. Taitra ihany Maria virijiny ary mety nisy tahotra tao anatiny tamin'ny faharenesana ny hafatra. Nangina ary nieritreritra tao am-pony izy nandalina ny momba azy sy izay nolazain'ny anjely. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Maria virijiny dia olona mendrika, maha te ho tia. Ao anatin'ny fifampiresahana tamin'i Maria sy ny anjely : ny ARAHABA dia mitovy amin'ny MIFALIA, izay manasongadina fa feno hasoavana izy ary io hasoavana io no miteraka hafaliana feno. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Sabotsy 18 septambra 2021 — Herinandro fahefatra amby roapolo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 4-15

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...