Zoma 20 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40

Tsy niasa irery i Jesoa tamin'ny fanatanterahana ny iraka nampanaovin'ny Ray Azy, fa nanana mpiara-miasa Aminy dia ireo Mpianany roambinifolo. Isika tsirairay hatramin'ny nahavita Batemy antsika dia voaantso ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra sy mpiara-mitory ny Vaovao Mahafaly miaraka amin'i Kristry. Mila mandrakariva ny fiaraha-miasa amintsika olombelona Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alakamisy 19 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14

Raha mamaky ny andininy amin'ny soratra masina ao amin'ny Boky Eksaody 3, 7-10, dia mipetraka ny fanontaniana hoe : iza tokoa no tena nanafaka ny zanak'Israely? Môizy sa Andriamanitra? Ny valiny dia tsotra Andriamanitra dia naniry ny hanafaka ny olony tany amin'ny tany Ejipta tamin'ny fanandevozana, ka i Môizy no natony fitaovana hahatanteraka izany. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy isidore.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...