Sabotsy 21 aogositra 2021 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8
Andriamanitra dia manasa ny olony mba hanaiky sy hatoky azy amin'izay rehetra atao. Ny Soratra Masina ao amin'ny Boky Fanisana 13, 1 dia manaporofo izany satria Izy dia efa nampanantena ny zanak'Israely ny anomezany ny tany Kanàana azy. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Zoma 20 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40
Tsy niasa irery i Jesoa tamin'ny fanatanterahana ny iraka nampanaovin'ny Ray Azy, fa nanana mpiara-miasa Aminy dia ireo Mpianany roambinifolo. Isika tsirairay hatramin'ny nahavita Batemy antsika dia voaantso ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra sy mpiara-mitory ny Vaovao Mahafaly miaraka amin'i Kristry. Mila mandrakariva ny fiaraha-miasa amintsika olombelona Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco