Alahady 24 mey 2020 — Alahady fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11 — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy i Jesoa, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.
Sabotsy 23 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 23-28 — Avy amin'ny Ray no tonga amin'izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo ; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin'ny Ray Aho.
Zoma 22 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 20-23 — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo ; handeha Aho ary ho avy aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.
Alakamisy 21 mey 2020 — I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 16-20 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo, ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco