Alakamisy 27 febroary 2020 — Alakamisy manaraka ny lavenona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 22-25 — Sambatra izay mitandrina ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin'ny faharetana.
Nafantoky ny Papa François tamin’ny fibanjinana ny Misterin’ny fijalianan’ny Tompo sy ny fitsanganany ho velona ny hafatra ho an’ny Karemy amin’ity taona 2020 ity. Mistery izay fototry ny fiainana maha-kristianina. Hafatra nampitondrainy ny lohateny hoe : "Mihanta aminareo amin’ny anaran’i Kristy izahay : mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo !"(2 Kor 5, 20).
Alarobia 26 febroary 2020 — Fanosorana lavenona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-32 — Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan'ny Lanitra.
Talata 25 febroary 2020 — Herinandro fahafito mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 30-37 — Niantso antsika tamin'ny alalan'ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr'i Jesoa Tompontsika.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco