19 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 5-25)
Raha jerena dia ohatran'ny hoe Moizy no mampahatsiaro an'Andriamanitra ny tokony hataony. Tsy hoe mibaiko an'Andriamanitra akory Moizy, sanatria izany, fa hilazana hoe rehefa tena mifanakaiky am-po sy mifankahazo am-po tsara dia lasa toy ny tsy misy elanelana na antsana manasaraka fa sahy mifampizara mahitsy ny ao am-po... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
18 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 18-24
Ny mpampita fampianarana ao amin'ny Eglizy : ny Aban'ny Fiangonana atao hoe "Magistères" ; fa araka ny ampianaran'ny Papa François ao amin'ny katesiziny (laharana faha-29) manomana izao taon-jaobily lehibe izao, sady voalazan'ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika rahateo (KFK 2685-2690) dia manana adidy lehibe sady voalohany ny ray aman-dreny hampianatra mivavaka... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco