Ny vavaka tsotra dia mametraka ny fiainantsika eo am-pelan-tanan'ny Tompo satria Izy no mpitari-dalana antsika ; môdely i Masina Maria ny amin'izay vavaka izay satria tsy be resaka izy fa manao vavaka mangina. I Masina Maria dia mivavaka amin'ny maha Reny azy sy amin'ny maha-mpianatra azy. Tena Reny hafakely ho antsika kristiana i Masina Maria, tena nanana fo misokatra... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
2 ôktôbra 2024 — Ny Anjely Mpiambina — Fahatsirovana — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)
Rehefa nandray ny filazan'ny Anjely i Masina Maria dia nandeha nizara izany tamin'i Elizabeta rahavaviny. Nifaly tamin'Andriamanitra mpamonjy azy izy fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Vavaka fisaorana an'Andriamanitra, tsotra ary feno fanetrentena lalina, feno fiontanam-po sy aingam-panahy no nataony. Mahita ny fahasahiranantsika i Masina Maria ary manampy antsika amim-bavaka... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
1 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco