16 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 42-46)
Mila fiomanana mialoha rehefa mivavaka miaraka amin'ny Soratra Masina, ilana fahavononana. Ny vavaka dia misy fotoanany sy toerana ary toro-lalana avy amin'ny Soratra Masina. Ny Fiantsoana ny Fanahy Masina dia mitarika, mankahery sy mampifandray amin'ny hafa toy ny fiombonana amin'ny namana, fiombonana amin'ny Eglizy ary indrindra amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
15 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)
Fototry ny vavaka ny Soratra Masina, ao anatin'ny vavaka no teraka ny fihaonana amin'Andriamanitra sy ny olona iray ; ny vavavaka dia mampiova ny fiainantsika. Manana anjara toerana manokana eo amin'ny fiainan'ny Kristiana ny Tenin'Andriamanitra. Amin'io no iresahan'Andriamanitra amintsika olombelona sy fihaonana aminy, mampahatsiaro ny fitiavan'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco