11 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)
Miteraka hafaliana ny fihaonana amin'i Jesoa. Ny fisaorana ataontsika amin'Andriamanitra tsy an-kijanona sy ifampizaran'ny kristiana rehetra dia tsy mijanona fotsiny amin'ny tena samirery ; fa rehefa tafahoana amin'i Jesoa isika dia vao mainka misandrahaka bebe kokoa izany fisaorana izany. Porofonin'ny Evanjely fa ny fandalovan'i Jesoa dia miteraka hafaliana ho an'ireo mihaona aminy... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
10 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)
Ny fanetren-tena dia toetra fototra iorenan'ny fivavahana ahafahana manatona an'Andriamanitra sy misaotra Azy. Mila manana fanetren-tena isika raha hanatona sy hisaotra an'Andriamanitra, fa hoy indrindra i Md Paoly ao amin'ny Taratasiny ho an'ny Romana hoe : na izay tokony hangatahantsika amin'ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika ; izay manetry tena dia mahay mandray maimaim-poana... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco