Rehefa mivavaka isika, dia mifanaraka amin’ny famindrampon’Andriamanitra: famindram-po ho an’izay rehetra nangataka hivavaka ho azy, izay tiantsika hivavahana mifanaraka amin’ny fon’Andriamanitra, izany no tena vavaka. Eo amin'ny Fiangonana, ny vavaky ny fanelanelanana kristiana dia mandray anjara miaraka amin’i Kristy: izany no fanehoana ny fiombonan’ny olo-masina. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
19 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 36-50)
Ny lehilahy sy vehivavy mivavaka dia mikatsaka ny ho irery sy ny fahanginana, tsy hoe mba tsy hoelingelinina fa mba hihaino tsara kokoa ny feon’Andriamanitra. Na iza na iza dia afaka mandondòna eo am-baravaran’ny olona mivavaka ary mahita ao aminy ny fo feno fangorahana, izay mivavaka tsy manilika na iza na iza. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
18 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco