♦ Efa eny amin'ny antenimieram-pirenena ny volavolana teti-bolam-panjakàna lasitra LFI-2026, mba hahafahan'ireo solombavambahoaka mandinika izany ara-potoana hoy ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola Docteur Ramiarison Herinjatovo... ♦ Nijoro nilanja sora-baventy nitaraina amin'ny ambarany ho fisian'ny antsojay mahazo ireo fianakaviana 35 monina eny amin'ny Atsimo-Atsinanan'Andraisoro. Nambaran'izy ireo fa misy olona milaza ho tompon'ny tany ka mikasa haka io tany, efa nohajariany nandritra ny 60 taona io... ♦ Nidina ifotony nijery sy nanaraka ny fivoaran'ny asa fanamboarana ireo milina miisa 3, an'ny Jirama ny Fiadidiana ny Repoblika...

Ny “Mandra-maty no itiavako anao, ahoana no hahatanteraka izany ?” dia manasongadina ny hasarobidin’ny fanambadiana sy ny fitiavana maharitra eo amin’ny mpivady, izay antsoin’Andriamanitra hiombona amin’ny fahamarinana sy ny faharetana mandra-pahafatiny. Ny fahatanterahan’izany dia miankina amin’ny fiorenan’ny fitiavana amin’Andriamanitra, ny fiezahan’ny mpivady amin’ny fifandraisana, fifampitokisana, fifamelana, sy fifanohanana, ary ny fananana tanjona iombonana eo amin’ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tsy mikasa ny hitsoaka any ivelan'i Madagasikara ny ministra teo aloha nisahana ny fanabeazam-pirenena Docteur Marie Michelle Sahondrarimalala. Efa misy ireo ministra teo aloha no tafavoaka any ivelany... ♦ Taorian'ny fiovan-dokon'ny vovonana IRMAR teny amin'ny antenimieram-pirenena, niala tao amin'ny vovonana Firaisankina ihany koa ny antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Iray amin'ireo ministera tena nanaovan'ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy ampihimamba ny ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola hoy ireo sendika eo anivon'ity ministera ity...

Ny Litorjia no loharano sy faratampon'ny fiainana kristiana, ao indrindra no miasa amin'ny tena ny asa fanavotan'i Kristy, ao amin'ny alalan'ny Eokaristia. Amin'ny alalan'ny Eokaristia dia maneho amin'ny fiainany ny misterin'i Kristy ny mpino, ary asehon'i Eglizy ny maha-izy azy marina dia fiombonana amin'Andriamanitra sy amin'ny olombelona...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...