Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela 7, 1-5. 8b-11. 16

Haharitra mandrakizay eo anatrehan’ny Tompo ny fanjakan’i Davida.

Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka
sady nomen’ny Tompo fandriampahalemana
tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany :

“Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera,
ary ny fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!”

Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka:

“Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao,
fa momba anao ny Tompo.”

Ny alin’izay ihany,
dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe;
izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao trano hitoerako?
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry
no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako,
amin’i Israely;
ary izay nalehanao nombàko anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao.
Ny anaranao hataoko malaza
toy ny anaran’ny olomalaza ambonin’ny tany.
Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho,
dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy,
ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana
toy ny taloha intsony,
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara
hifehy an’i Israely vahoakako.
Hanome anao fialan-janona amin’ny fahavalonao rehetra Aho;
ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao
sy ny fanjakanao eo anatrehako mandrakizay,
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo!
Hambarako amin’ny firenena rehetra ny fahamarinanao!
Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko;
voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!

Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho;
nianiana tamin’i Davida mpanompoko;
hajoroko ho mandrakizay, hoy Aho, ny taranakao;
haoriko ho lalandava ny Fiketrahanao!

Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy.
Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko,
ho azony antoka ny fanekeko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra,
avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 1, 67-79

Hamangy antsika ny Masoandro avy any ambony.

Tamin’izany andro izany,
feno ny Fanahy Masina i Zakaria rain’i Joany,
ka naminany hoe:

“Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely,
noho Izy namangy sy nanavotra ny olony,
ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika
tao amin’ny fokon’i Davida mpanompony,
araka ny nolazainy tamin’ny vavan’ny mpaminany masina
hatramin’ny andro tany aloha,
mba hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika
sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.
He izany nanaovany famindram-po tamin’ny razantsika
sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,
dia ilay fianianana nataony tamin’i Abrahama razantsika
hanome antsika fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika,
mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra,
amim-pahamasinana sy fahamarinana,
eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika.
Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe:
mpaminanin’ny Avo indrindra,
fa hialoha ny Tompo ianao hamboatra ny halehany,
mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena
amin’ny famelana ny helony.
Noho ny halehiben’ny famindram-pon’ny Andriamanitsika
nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony,
mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina
sy amin’ny aloky ny fahafatesana,
ka hitarika ny diantsika ho amin’ny lalam-piadanana.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohany nosoratan'i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 1, 5 — 2, 2)

Ny Ran'i Jesoa Kristy Zanak'Andriamanitra no manadio antsika amin'ny ota rehetra.

Ry zanako malala,
izao no teny renay tamin'i Jesoa ka ambaranay aminareo:
Andriamanitra dia fahazavana,
ary tsy misy haizina akory ao aminy.
Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika,
nefa mandeha amin'ny maizina,
dia mandainga sy tsy manao ny marina.
Fa raha mandeha amin'ny mazava
toa Azy ao amin'ny mazava kosa isika,
dia mifampikambana isika rehetra,
ary ny ran'i Jesoa Kristy Zanany
dia manadio antsika amin'ny ota rehetra.

Raha milaza antsika
ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena,
ary tsy ao anatintsika ny marina.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika,
dia mahatoky sy marina Andriamanitra,
ka hamela ny fahotantsika
sy hanadio antsika amin'ny tsy fahamarinana rehetra.
Raha milaza antsika ho tsy nanota isika
dia mampandainga azy isika,
ary tsy ao anatintsika ny teniny.

Anaka,
manoratra izany aminareo aho
mba tsy hanotanareo.
Ary raha misy nanota,
manana mpisolovava ao amin'ny Ray isika,
dia i Jesoa Kristy, ilay marina.
Izy no sorom-panonerana mahafaka ny fahotantsika;
ary tsy ny antsika ihany,
fa ny an'izao tontolo izao koa.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 123, 2-3. 4-5. 7b-8

Toy ny fody afa-pandrika harato isika.

 

Raha tsy ny Tompo no nomba antsika,
tamin'ilay niantsapazan'ireny,
dia ho nateliny velona isika,
fa nirehitra loatra ny havinirany.

Ho nadifotry ny rano isika;
ho nosaforan'ny riaka ny fanahintsika!
Eny, ny fanahintsika
ho nosaforan'ny rano misamboaravoara!

Rovitra ny harato
ka afaka isika
Ny fitahiana antsika dia ny Anaran'ny Tompo
Ilay nanao ny lanitra sy ny tany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Midera Anao izahay, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny tafika manehoehon'ny martiry dia midera Anao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 2, 13-18)

Novonoin'i Herôda ny zazakely rehetra tao Betilehema.

Nony lasa ny Majy,
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo
niseho tamin’i Jôsefa tamin’ny nofy ka nanao hoe:

“Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny,
ary mandosira any Ejipta,
dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray,
fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny”.

Mbola alina dia nifoha izy nitondra ny Zazakely sy ny reniny,
ka lasa nankany Ejipta.
Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo
voalazan’ny mpaminany hoe:

“Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako”.

Ary nony hitan’i Herôda fa voafitaky ny Majy izy,
dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra
tao Betilehema sy tamin’ny tany manodidina,
hatramin’ny roa taona no midina,
araka ny andro nofotopotorany tamin’ny Majy.
Dia tanteraka tamin’izay
ny tenin’i Jeremia mpaminany manao hoe:

“Nisy feo re rao Ramà,
dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy:
i Rasely nitomany ny zanany,
ka tsy azo nampiononina,
fa tsy teo intsony ireny”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohany nosoratan'i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 1, 1-4)

Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo koa.

Ry zanako malala,
izay efa nisy hatramin'ny voalohany,
sy efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nodinihinay,
ary efa notsapain'ny tànanay, dia ny Teny fiainana;
- fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelona izahay,
ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay
izay tao amin'ny Ray sy naseho taminay,
- eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa,
mba hanananareo fikambanana aminay koa;
ary ny fikambananay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesoa-Kristy Zanany.
Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 96, 1-2. 5-6. 11-12

Ianareo olomarina, mifalia ao amin'ny Tompo.

Mpanjaka ny Tompo: aoka hifaly ny tany;
Aoka hiravoravo ny nosy maro!
Rahona aman'aloka no manodidina azy,
rariny sy hitsiny no iorenan'ny seza fiandrianany.

Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan'ny Tompo,
dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
Ny lanitra mitory ny fahamarinany,
ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.

Afafy ho an'ny marina ny fahazavana,
ary ho an'ny mahitsy fo ny fifaliana.
Mifalia amin'ny Tompo ry olo-marina,
ary manomeza voninahitra ny anarany masina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 2-8)

Nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anakiray, ka tonga talohan'i Piera teo amin'ny fasana.

Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro,
i Maria Magdalena lasa nihazakazaka
nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa,
ka nanao tamin'ireo hoe:

Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo,
ka tsy fantatray izay nametrahany azy.

Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray
nankany amin'ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy,
saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray,
ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana.
Dia niondrika izy,
ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra.
Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy,
dia niditra teo am-pasana
ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany,
tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba
fa nivalona nitokana terý.
Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana,
ary nahita ka nino.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 6, 8-10 ; 7, 54-59)

Indro hitako ny lanitra misokatra.

Tamin’izany andro izany,
dia feno fahasoavana sy herim-po i Etiena,
ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe tao amin’ny vahoaka.
Fa ny sasany avy amin’ny sinagôgan’ny Libertina,
sy ny an’ny Sireneanina sy ny Aleksandrinina,
mbamin’ny Jody avy any Silisia sy Azia,
dia nitsangana niady hevitra tamin’i Etiena,
fa tsy nahatohitra ny fahendrena
sy ny Fanahy Masina izay nitenenany izy ireo.
Nony nandre ny teniny izy ireo, dia nisafoaka ny fony,
ary nihidy vazana taminy izy.
Fa i Etiena kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra,
ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra, sy i Jesoa
nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra ary nanao hoe:

“Indro hitako ny lanitra misokatra,
mbamin’ny Zanak’olona
mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.”

Fa indray nihoraka izy rehetra,
sady nanentsin-tadîny no niara-niantoraka taminy.
Dia notaritiny tany ivelan’ny tanàna izy,
ka notorahany vato ;
ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany
teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
Raha mbola nitora-bato azy izy ireo,
i Etiena kosa nivavaka nanao hoe:

“Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko.”

Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.”

Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo.
Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 30, 3de-4. 6ab sy 7b ary 8a. 17 sy 21ab

Tompo ô, apetrako eo an-tananao ny aiko.

Metia, ry Vatolampy fierena!
Vonjeo aho, ry Trano fiarovana!
Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy,
ny Anaranao itarihana sy itantanana ahy!

Apetrako eo an-tananao ny aiko,
avoty aho, ry Tompo Andriamanitra!
Ianao kosa no ifefeko!
Mibitaka sy ravo aho.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao!
Vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao!
Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy,
lavitra ny tetika ataon’ny olona.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 10, 17-22)

Tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Mitandrema, fa hotorîn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo,
sy hokapohiny ao amin’ ny sinagôgany ;
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpitondra sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko,
mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily.
Fa raha hatolony ianareo,
dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo,
fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany ;
satria tsy ianareo no hiteny,
fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina,
ny ray hanolotra ny zanany,
ny zanaka hiodina amin’ny rainy aman-dreniny, ka hamono azy ;
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako ;
fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...