Ny Testamenta Vaovao diamisy boky 27 mandrafitra azy izay azo sokajiana toy izao : Ny Evanjely 4, Asan'ny Apôstôly, Taratasin'i Md Paoly 13, Taratasy ho an'ny Hebrio, Taratasy Katolika 7, Ny fanambarana na ny Apôkalipsa. Ny Evanjely no fara-tampony noho izy indrindra fanamarinana manokana mahakasika ny fiainan'ny Teny tonga Nofo, mpamonjy antsika... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Tsy hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena amin'ny taona 2028 intsony ny filoha Andry Rajoelina, tsy maintsy foana tanteraka ny delestazy mandra-pahatapitry ny fe-potoana hiasany, raha ny nambarany androany tamin'ny fihaonany tamin'ireo hery velona rehetra teny Iavoloha... ♦ Miroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy manerana ny nosy, manameloka ny fampiasana herisetra amin'ireo vahoaka manao ny hetsika an-dalambe ihany koa izy ireo... ♦ Miatrika lalao hihaonana amin'i Comores anatin'ny fifanintsanana ho any amin'ny Mondial 2026 indray ny Barea amin'izao fotoana izao...
♦ Hihaona amin'ny solotenan'ireo hery velona eto amin'ny firenena eny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha anio tolok'andro ny filoha Malagasy Rajoelina Andry... ♦ Tsy misy "service minimum" sy "zéro service" amin'ny asa aman-draharaha sahanin'ireo internes des hôpitaux manerana ny nosy mandrapivaly ny fitakian'izy ireo... ♦ Tanterahina any Côte d'Ivoire anio amin'ny 7 ora hariva, ora eto an-toerana ny lalaon'i Barean'i Madagasikara sy Comores, izay tafiditra amin'ny andro faha-sivy amin'ny fifanitsanana ho an'ny fiadiana ny amboara eran-tany 2026...
♦ Notendrena alina ireo ministra telo mianadahy hisahana ny filaminana eto amin'ny tany sy ny firenena : asa maika miandry azy ireo ny famerenana ny filaminana anatin'ny fotoana fohy... ♦ Tsy manana fikasana hivoaka amin'ny fanajana ny lalam-panorenana fa hamita hatramin'ny farany ny fe-potoam-piasana dimy taona araka ny voafaritra ny lalàna ny filoha Rajoelina araka ny tafa nataon'ny tamin'ny vahoaka Malagasy alina... ♦ Mpanolontsaina an'ny tanàna an'Antananarivo mpitari-tolona : hitory ny filoha Malagasy eo anivon'ny Fitsarana ady heloka bevava iraisam-pirenena (CPI)...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco