• Efa nigadona tao Farafangana omaly hariva ny Eveka vaovao ho an'ity Diôsezy ity. Misy ny akon'ny fitsenana azy tao Manakara sy Vohipeno omaly...
  • Mangataka ny hamelàna ny fidinana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny filoha lefitra faha-7 eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Ravao ny CENI hoy ny vovonana Firaisan-kina, omaly...
  • Mandrahona ny hanao hetsi-pitakiana ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy. Hetsika noho ny tsy fisian'ny fisondrontan-karama, nefa midangana ny vidim-piainana...
  • Nandamoaka ny fisamborana ny filoha koreana tatsimo teo aloha, Yoon Suk Yeol, omaly. Tomefy ireo mpiambina sy mpanara-dia azy an-jatony ny trano fonenany saika hisamborana azy tao Séoul...

I Masindahy Odilon no tsaroana ny 04 janoary. Teraka ny taona 962 tao Saint-Cirgues (Haute-Loire) i Odilon. Tompomenakely tao Mercœur ao Auvergne ny fianakaviany ary nanana tany nanelanelana an'i Brioude sy Langeac. Nanomboka ny fiofanana ho Chanoine tao amin'ny fiangonan'i Masindahy Julien tao Brioude izy.

Tsy tokony hotsinotsinoavina ny vavaka am-bava. Ny vavaka am-bava no vavaky ny olona tsotra, vavaka tahaka izay nampianarin'i Jesoa antsika : Rainay any an-danitra... Ny teny tononintsika dia azontsika dinihina tsirairay ny dikany sy ny hevitra raketiny mba hiotazana voka-tsoa. Tena tsapa fa amin'ny fotoana sasany dia tsapa fa misy lanjany ary tena manome hery ny vavaka am-bava... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

4 janoary 2025 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 35-42)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...