♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

♦ Centre Immatriculateur de Madagascar (CIM) Ambohidahy : 100 isa isan'andro eo ireo fangatahana hampiasa "cartes grises - Permis" vonjimaika voaray hatramin'ny nahasimban'ilay fitaovam-panamboarana izany... ♦ Miisa 164 mianadahy ireo tanora hisitraka ilay fampiofanana maimaimpoana omen'ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa, anatin'ilay fandaharan'asa "FIJERY HAFA"... ♦ Olan'ny famatsiana rano : Nitondra fanazavana momba ny fahadiovan'ny rano zaraina ho an'ny vahoakan'Antananarivo renivohitra izay miteraka resa-be ankehitriny amin'ny orinasa jirama... ♦ Nivavaka ho an'ireo rehetra lasibatry ny herisetra amin'ny endriny samihafa i Papa François tamin'ny famaranana ny Angélus, omaly...

♦ Nanentana ny kristiana ho vonona handray ny iraka ankafaliana sy am-panetrentena i MGr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina tamin'ny laha-teny nataony taorian'ny fanamasinana sy fametrahana azy ho Evekan'ny Diôsezy Ambatondrazaka omaly... ♦ Olan'ny famatsiana rano ao Antananarivo-renivohitra : Hivaha amin'ity herinandro ity ny olana hoy ny filoha Rajoelina Andry, Vahaolana kitoatoa kosa no hitan'ny mpitondra hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Voasambotry ny pôlisy miady amin'ny heloka mamoafady tao Mahajanga ny lehilahy 34, nanolana sy nanao herisetra ara-nofo tamina zaza tsy ampy taona miisa 7...

Fototry ny vavaka ny Soratra Masina, ao anatin'ny vavaka no teraka ny fihaonana amin'Andriamanitra sy ny olona iray ; ny vavavaka dia mampiova ny fiainantsika. Manana anjara toerana manokana eo amin'ny fiainan'ny Kristiana ny Tenin'Andriamanitra. Amin'io no iresahan'Andriamanitra amintsika olombelona sy fihaonana aminy, mampahatsiaro ny fitiavan'Andriamanitra...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...